Isa haro — Wikipedia Aller au contenu

Isa haro

Avy amin'i Wikipedia

Ny isa haro, amin' ny matematika, dia isa fantatra anelanelan' ny isa voatsapa sy ny isa tsy voatsapa. Ny isa haro, na inona izy na inona, dia azo soratana amin' ny endrika a + i.b, ka ny a sy ny b dia samy isa voatsapa, ary ny i dia ny isa tsy voatsapa amin' ny toetrany i2 = -1. Ankehitriny ny vondron' ny isa haro dia faritana ho fanitarana ny vondron' ny isa voatsapa. Ny tora-droan' ny (−i) dia mira amin' ny −1, izany hoe (−i)2 = −1.

Ny isa haro dia nampidirin' ny sekoly matematika italiana tsikelikely (Girolamo Cardano, Raphael Bombelli, Tartaglia) tamin' ny taonjato faha-16 mba hanehoana ny vahan' ny fampimirana antoana fahatelo amin' ny fomba ankapobeny amin' ny alalan' ireo raikipohin' i Cardano, amin' ny fampiasana manokana ny "isa" manana toradroa miiba. Azo atao ny manome ny vondron' ny isa haro dia atao hoe . Tamin' ny taonjato faha-19, teo ambany fitarihan' i Abbé Buée sy i Jean-Robert Argand (lemak' i Argand), avy eo tao amin' ny asan' i Gauss sy i Cauchy, no namolavolana ny lafiny ara-jeômetrian' ny isa haro. Izy ireo dia mifandray amin' ny tsilo na teboka ao amin' ny lemaka. Ny fanamboarana (fanovana) ny lemaka dia aseho amin' ny endrika fanamboatana haro.

Ao amin' ny fizika, isa haro dia ampiasaina hamaritana ny fihetsiky ny mpikabino elektrika na ny onja amin' ny elektrômanetisma (Re(eiωt) maneho ny olakolaka). Eo amin' ny sehatry ny herinaratra, ary indrindra ny elektrôkinetika, dia matetika no atao hoe j ny ampahany tsy voatsapa, ny fanoratana mahazatra izay mety hiteraka fifangaroana amin' ny mariky ny vaikan' ny herinaratra (i). Tena ilaina ihany koa izy ireo amin' ny fanomezana endrika matematika ny mekanika koantika

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.